TIA ANAO ANDRIAMANITRA
« Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Jaona 3 : 16
Mba avy nieritreretinao ve izany hamafin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika zanak’olombelona izany? Mba avy naka fotoana kely ve ianao nandinika sy nieritreritra hoe, hatraiza ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra anao? Sa tonga ao an-tsainao ve ny hoe, ‘moa izaho izay mpanota ity ve mbola tian’Andriamanitra satria nahavita faharatsiana lalina sy karazana fahotana tafahoatra izay tsy zakan’ny sainao noeritreretina?’
Amin’izany fahotana sy fahadisoana mihitsy no iantsoan’Andriamanitra anao, amin’izany fahalotoana izany mihitsy no tokony hanatonanao an’i Jesosy izay Mpanavotra anao; satria ny fitiavan’Andriamanitra anao dia tsy voefetran’ny fahadisonao izay nataonao tamin’ny andron’ny tsy fahalalanao Azy, ny herin'ny fitiavan'Andriamanitra anao dia tsy voasakan’ny fahotana izay hitanao fa tsy tokony hazahoanao famelan-keloka, ary ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra dia manolotra fitiavana tsy mijery na mitodika amin’ny lasanao.
NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA
Ny fitiavan’Andriamanitra anao dia azo antoka; ary tiany ianao na dia MPANOTA AZA, tiany ianao na dia AZY MPAMONOLO OLONA AZA IANAO TALOHA, tiany ianao na dia OLONA NIAINA TAO ANATIN’NY FAHALOTOAM-PITONDRANTENA AZA IANAO TALOHA. Tadidio fa tsy tonga hiantso ny marina Andriamanitra, fa ny mpanota, ny mpanao meloka, ny mpanao zava-dratsy, ary ny olona izay niaina tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena izay vonona hiala amin’ireny toetra ratsiny taloha ireny.
TADIDIO IZAO :
Raha toa ka misalasala momba ny tenanao ianao, dia ireto no tokony tonga ao an-tsainao mba hanamafy orina ny sainao:
“Tsy misy olo-marina, na dia iray akory aza” ROMANA 3 : 10 (BAIBOLY DIEM)
“Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. Tsy hiantso ny olo-marina no hatongavako fa hiantso ny mpanota mba hialany amin’ny toetra ratsiny.” LIOKA 5 : 31, 32 (BAIBOLY DIEM)
“Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika ny Kristy.” ROMANA 5 : 8, 9 (BAIBOLY KATOLIKA)
AZO ANTOKA NY MANDRAKIZAINAO RAHA MITODIKA AMIN’I JESOSY IANAO
Ny fandraisana sy ny fitodihana ary ny fiverenana amin’i Jesosy Kristy Tompo no mametraka ny fahazoana antoka ny mandrakizay, mandala sy miserana ihany isika olombelona eto an-tany, ka ataova ho laharam-pahamehana ny hiarahana amin’Andriamanitra satria raha mitodika aminy ianao, dia ataova ao an-tsainao ireto:
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy ho tsaraina ; fa tafafindra niala tamin’ny fiainana izy.” JAONA 5 : 24
“Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.” ROMANA 8 : 1
Koa raha tena mitodika amin’i Jesosy ianao, dia tsy ho tsaraina satria efa tafiditra ao anatin’ny ankohonan’Andriamanitra ianao.

Post a Comment