FAMAKAFAKA NY EFESIANA 2 : 8 - 10

FAMAKAFAKA NY EFESIANA 2 : 8 - 10

Size

NY FAMPIANARANA

FAMAKAFAKANA MOMBA NY EFESIANA 2 : 8 – 10

« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.”


INONA MOA NO TIAN’I PAOLY AMBARA MANOLOANA IZAO FANAMBARANA IZAO ?

Ny Efesiana 2: 8–10 dia midika fa Fanomezana maimaim-poana avy amin'Andriamanitra ny famonjena, ary omena amin'ny alalan'ny fahasoavana sy ny finoana, fa tsy zavatra azo avy amin'ny asa tsara vita ataon’ny tena. Na izany aza, ireo andininy ireo dia mampianatra ihany koa fa, Andriamanitra dia mamonjy ny olona, mba hahafahan'izy ireo manao asa tsara.

VOAVONJY NOHO NY FAHASOAVANA AMIN'NY ALALAN'NY FINOANA ISIKA (ANDININY 8-9) :

Fahasoavana : dia midika fa manome fitiavana sy famelan-keloka amin’ny zanak’olombelona tsy ara-drariny Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny tantaran’ireo olona izay nampiasaina tao amin’ny tanim-boaloboka izany araka ny fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Matio 20 : 1 – 15.) Tsy afaka hanao asa mafy ny olona mba hahazoana izany fahasoavana sy famelankeloka izany.

Finoana: Ny fatokisana amin'Andriamanitra no fomba andraisan'ny olona iray ity fanomezana maimaim-poana ity; satria ao amin’ny Bokin’ny Hebreo dia milaza toy izao ny Soratra Masina: “Fa raha tsy amin’ny finona, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra” Hebreo 11 : 6.

Mba tsy hisy olona hafaka hirehareha amin’Andriamanitra intsony: Mba ahatsapan’ny olona fa tsy misy olombelona mendrika ny famonjena noho ny fahotana vitany. Ary io fanambarana io dia manizingizina fa tsy maintsy miantehitra amin’ny zava-bitan’Andriamanitra ny olona tamin’ny alalan’ny sorona sy fanavotana izay nataon’i Jesosy. Diho tsara ny ilazany azy eto hoe; “Tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Tsy avy amin’ny asa.” Ary io andininy io dia mampahatsiahy anao ilay fanambarana malaza ao amin’ny Romana 3 : 19 hoe, “mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra”. Izany hoe, na iza na iza dia tsy misy olona hafaka hierehareha eo anatrihan’Andriamanitra manoloana ny zava-bitany, na ny amin’ny asan’ny fitandremanana lalàna izany na amin’ny asan’ny fanaovana asa soa.

NOFORONINA MBA HANAO ASA TSARA (ANDININY FAHA-10)

Ny asan'Andriamanitra: Ny mpino dia noforonin’Andriamanitra indray
tao amin’i Jesosy no sady tamin’ny alalan’i Jesosy. Diniho ny ao amin’ny
2 Korintiana 5 : 17 hoe, “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy.” Ny dikanteny fototra dia milaza io olom-baovao hoe famoronana vaovao na zava-boary vavaovao. Ny tena anton’ny famoronana indray dia mba hiaina sy hanao asa tsara.

Kanefa tsy ny fanaovantsika asa tsara no mahavonjy atsika, fa ny fanaovana asa tsara dia porofo fa tena voavonjy tokoa isika. Izany fahamarinana izany dia tsy tian’Andriamanitra sy ny Soratra Masina afamadika mandrakizay. Raha avidika, ny asa tsara dia vokatra fa tsy fototra iaingana. Ny finoana ao anaty no fototra iaingana, ka noho io finoana io dia manaraka ho azy ny asa tsara.

Ampitahao amin’ireo olona rehetra izay niaina tao ambanin’ny fitarihan’ny finoana ao amin’ny Hebreo 11 izany fahamarinana izany. Finoana no mialoha lalana ny zavatra rehetra dia avy eo manaraka hoa azy ny asa.

INONA MOA NY ANTONY NANORATAN’I PAOLY IO SORATRA MASINA IO?

Nanoratra ny Efesiana 2:8–10 i Paoly mba hanazavana fa ny famonjena dia fanomezana maimaim-poana avy amin'Andriamanitra omena amin'ny alalan'ny fahasoavana sy ny finoana, fa tsy zavatra azon'ny olona amin'ny alalan'ny asa soa ataony. Tiany ho takatry ny mpino fa na dia tsy ahazoana famonjena aza ny asa tsara, dia zavatra tena ilaina anefa izy io mba hentina hanaporofoana fa tena nikasika ny ao anaty ilay finoana sy Ilay Andriamanitrin’ny lanitra.

Ireto no tian’i Paoly hotsindrina mba ho tafiditra ao anatin’ny olona izay mamaky io andininy io:

Mba hanehoana fahasoavana: Tian'i Paoly ho fantatry ny olona fa mamonjy antsika Andriamanitra noho ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny lehibe ihany, fa tsy noho isika tsara na mendrika izany.

Mba hampitsaharana ny avonavona sy ny fireharehana eo anoloan’Andriamanitra : Tamin'ny filazana fa fanomezana ny famonjena, dia nohazavain'i Paoly tsara fa tsy misy olombelona afaka mirehareha momba ny famonjena ny tenany.

Mba hanazavana ny asa tsara: Nohazavain'i Paoly fa tsy tonga alohan'ny famonjena ny asa tsara mba hividianana ny fankasitrahan'Andriamanitra. Fa tonga aorian'ny famonjena kosa izy ireo mba hiainana ny fiainam-baovao izay nomanin'Andriamanitra ho antsika.

Manoloana ny famakianao io fanazavana io, inona no fandraisanao io andininy io teo aloha ? Ary ahoana no ataonao mba hiainanao izany fahasoavana izany? Misokatra aminao ny kaompantera ka asehoy ny hevitrao. Tsindrio eto raha haka version pdf

 

Ity boky ity dia nalaina tao amin’ny hianatrabaiboly.top ary nomena maomaim-poana. Misy boky maro azonao ianarana ao amin’ny site, tena maimaim-poana tanteraka izany. Misy boky azonao vidina koa ao amin’ny pdfshop.hianatrabaiboly.top

0 Reviews