NY LOHARANOM-BOLA
Ny HIANATRA BAIBOLY dia Fikambanana tsy miankina izay mifototra amin’ny fampianarana sy fampielezana ny Soratra Masina ho an’ny besinimaro. Iarahana mahalala anefa fa ny vola no fototra mampandeha sy mampiodina ny zavatra rehetran kanefa tsy manana loharanom-bola na fitadiavam-bola mba ahafahana manohana ny asanay izahay ankoatra ireto loharanom-bola roa manaraka ireto:
Vola avy amin’ny Mpanohana an-tsitrapo izay angoninay amin’ny alalan’ny FANGATAHANA FANOMEZANA AN-TSITRAPO na FAIRE UN DON ;
Vola izay azo avy amin’ny FIVAROTANA BOKY PDF sasantsasany izay vokarinay.
NOHOANA MOA IZAHAY NANDRAY IZANY FANAPAHAN-KEVITRA IZANY ?
Manangona vola avy amin’ny MPANOME VOLA AN-TSITRAPO sy avy amin’ny alalan’ny FIVAROTANA BOKY PDF sasantsasany izahay mba :
Momba ny fikirakirana tranokala : hanefana ny hofan’ny tranokala isan-taona sy ny fandaniana hafa momba ny fampandehanana ny tranokala ;
Hividianana fitaovana hanaovana fikarohana (toy ny finday android sy solosaina) ary ividianana ny connexion internet (hanefana ny abonnement isam-bolana).
Ireny rehetra ireny no fitaovana izay entinay sy ilainay mba hananatratrarana izay tanjona napetraka dia ny hanamora ny fahalalana Soratra Masina amin’ny Teny Malagasy tsora sy mazava ary hamoahana Boky Kaomantera ho lasa Fichier Audio ho azo henoina.
MILA ANAO IZAHAY
Ireny no zavatra ilaina sy ny tanjona izay ho tratrarina ka mila anao izahay : mila anao izahay amin’ny alalan’ny fandrosoanao hevitra mba hanatsarana ny tranokala, mila anao izahay amin’ny fitondrana amim-bavaka ny asan’Andriamanitra, mila anaoa izahay amin’ny fandraisana ny fampianarana, mila anao izahay amin’ny fanohanana ara-bola.
Raha hanomeo fanampiana ara-bola ianao dia midira ao amin’ny pejy FAIRE UN DON. Mankasitraka anao izahay.