🎯 NY TANJONAY AMIN’ITY TRANOKALA ITY
Manana tanjona sy vina lehibe ho tratrarina manoloana ny fampianarana ny Soratra Masina izahay ary izany tanjona izany dia fehezinay amin’ireto :
1. Hahatafita ny Soratra Masina amin’ny besinimaro
Ny tanjona voalohany dia ny hahatafita ny Soratra Masina amin’ny besinimaro (na ny nandalo fianarana na ny tsy nandalo fianarana lavitra; na amin’ny tanora na amin’ny olon-dehibe). Ka izany no mahatonga anay hamokatra ny fampianarana amin’ny teny Malagasy tsotra sy mora azon’ny maro amin’ny fampianarana.
2. Hamoaka ny hevitry ny boky rehetra amin’ny Baiboly
Ny tanjona faharoa dia ny hamoahana ny hevitrin’ny boky rehetra amin’ny Baiboly. Izany hoe, famoronana fampianarana amin’ny alalan’ny KAOMANTERA na BOKY FANEHOAN-KEVITRA izay miainga avy amin’ny hevitrin’ny Soratra Masina sy ny Fikarohana manokana. Ary vina ny hanaovana feo Audio ireo Boky Kaomantera izay efa vita mba hanampiana ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ary mba hampalaky hampiely ny tenin'Andriamanitra. Izany dia ho fanampiana ny olona hahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina, sy hahalalany ny mpanoratra ny Boky ao amin’ny Baiboly, sy ny mombamomba ny boky iray.
✦ Ny tena lehibe amin’ny tanjonay
Ny tena lehibe amin’ny tanjonay dia ny hanolotra ity tranokala ity mba ho fitaovana sy fampianarana miorina tsara amin’ny fampianarana marina araka ny fanambaran’ny Soratra Masina, hahatonga ny mpamaky hanana finoana matotra, finoana mahatoky ary finoana tsy manaraka onjandrano fotsiny fa tena miorina amin’Andriamanitra mba hahazoana Fiainana Mandrakizay.
🤝 INONA NO HAHATRATRARANAY IZANY TANJONA IZANY?
Ilainay ianao mba hahatraranay izany tanjona izany, amin’ny alalan’ny fanohanana amin’ny hevitra ho fanatsarana ny tranokala, fandefasana ny feedback momba ny fanatsarana ny fampianarana, ary indrindra amin’ny fanohanana ara-bola mba hanaovanay fikarohana sy fikirakirana ny tranokala.